<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Linderman</author>
<hymn_number>155</hymn_number>
<title>An-tsezam-panjakany FFPM155</title>
<lyrics>[V1]
 An-tsezam-panjakany,
 Ambony kintana,
 No lapan'i Jesosy
 Ilay nasandratra.

[V2]
 Atý an-tany iva,
 Anilam-pasana,
 No ipetrahantsika
 Zoim-pahoriana.

[V3]
 Kanefa mety ihany
 Ny monina atý,
 Hiomana ho any
 An-danitra arý.

[V4]
 Isika tsy kamboty,
 Na dia nilaozany ;
 Nomeny ny Fanahy
 Ho solon-tenany.

[V5]
 Ny fahoriantsika,
 Dia efa maivana,
 Ny fahafatesantsika
 Dia afa-tsindrona.

[V6]
 Ny ain'i Jeso Tompo
 Iainantsika atý ;
 Tsy ela dia hiseho
 Indray ny tenany.

[V7]
 Ka hira no venteso
 Ry havany izao,
 Ny senton'alahelo
 Mba atsaharonao !</lyrics>
</song>